You are here: home > Vetso

TSY ALEO VE? - NY HERIMAR

TSY ALEO VE?

Fa inona moa no maha samy hafa
Raha ny hahasambatra azy no faniriana?
Tsy ratsy Koa anie raha toa k'any an-kafa
No hampitsiky azy sy ho lavi-pahoriana e!

Tsy ho mora aminao ve ny handry saina
Raha toa ny nofy omaly tanteraka anio?
Tsy aminao fa aminy izy no hitaraina
Rehefa tamy ny onja sy oran-tadio...

Ka aiza ry ise no hahita raozy mavana
Eny an-tany karakaina amin'izato lohataona?
Mandehana an-kafaliana ilazao 'reo havana
Fa ny mahitsy retsy tsy ela am-pisaonana.

Averiko ihany, ino-no maha samy hafa
Raha ny hahasambatra azy no tanjona iraisana?
Aleo aza izy mba ho any an-kafa
No handray fananarana miendrika faisana.

NY  HERIMAR
12 Avrily 2021