TSY FAY (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY FAY

Mamarina iny lalana iny
fa mbola nandehanako foana;
Tsy im-polo izaho no nampangirifiriny
Saingy tsy fay na mikotoatoana.

Mandratra iny vorona iny
kanefa nohatoniko ihany;
Ny fijeriny aza manambara fa tsy tiany
Saingy nodiako tsy hita izany.

Fa impiry izaho no may
fa mbola nanatona afo;
Toa tsy mety ketraka sy fay,
Na tsy indray ihany no efa rava tafo.

Kanefa impiry tokoa
izaho no voadonam-pitia?
Saingy tsy mety fay na efa voa
fa mbola mikatsaka ny hitadia.

Fa impiry moa no voafitany
Saingy mbola tsy fay;
Efa tsy navoniny aza ilay sipany,
Fa mbola manantena ny hotantanany indray.

Dia izahay 'lay tsy fay e,
Na efa sendra tsy fahombiazana;
Mbola miandry izay fiainana tena milay e,
Ary mbola vonon-kikaroka izay mbola tsy tazana.

NY H.
31/07/2019
21:20'
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
454 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149