You are here: home > Vetso

TSY HO ALAHELO - NY HERIMAR

Azo vakiana?

TSY HO ALAHELO

Nitraka nangina tanaty alahelo
nalatsakao tamin'ny teny maranitra;
Zakaiko samirery tsy hiantsoako avelo,
Avelako hitatao ery ambony lanitra.

Izay alahelo tsy nahiko akory,
Ho zary tadio ka handrivorivo;
Izay ranomaso nanesy lohantory,
Handefi-jatolahy, hamefik'arivo.

Izay ranomaso namonto ny lambako,
Tsy ho zakanao ka tsy hiantsoako tody;
Soa ihany fanahy fa raha ny angatro,
Tsy ho telinao fa voly mamody.

Misaotra anao indrindra nanapak'ilay toky,
Misaotra anao indrindra, tsy arahin-tsiny;
Akaka sy gana ao an-drian'i Mangoky,
Afa-milomano, manao izay tiany.

NY H. 04/11/2019 16:30'
Maroc

Sokajy : fiainana, Hambom-po

Hametraka hevitra

Midira aloha