TSY MISY... (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY MISY…

Tsy misy fo roa tena tia
Ka samy tafiaraka hiara-hisalahy
Fa na ny iray potika, ny iray maniasia,
Miatsara velantsihy, manafim-panahy.

Tsy misy fo roa tena miara-midoboka
Hanome bitsika iray ho akom-pitiavana
Fa na ny iray manjono, ny iray mijoboka,
Ny andrasoandraso no solom-pandavana.

Tsy misy fo roa tafaray samy manina,
Misaora ny Avo raha sendra izay tia ;
Ianao miasa loha isan’andro tsy milamina,
Kanefa izy ary tsy mikasa ho doria…

Saingy izao ry malalako:

Izaho tena tia fa ianao no tsy haiko,
Tsy afa-hamantatra ny miafina mantsy;
Raha tena tia ianao , vao mainka holalaiko,
Hotiaviko foana na hihamanja na ho ratsy.

Izaho raha mitia, mahafoy ny rehetra,
Hanakatra kintana tsy ho vitako aloha;
Raha ny hikarakara anao, tsy hasiako fetra,
Ny varavarampoko, ianao no mpamoha.

Kanefa,
Mahalala tsy tiana ny aty fa aza gaga,
Rehefa tofoka mitia, mahay miova lalana;
Mbola manantena hahita izay sahaza,
Manantena foana ilay tena hasambarana.

NY HERIMAR 04/03/2020
FES_MAROC
--------
Rohy:
455 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NY HERIMAR
Nampiditra : Herimar
Daty : 04/03/2020 23:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154