TSY NY HOTIAVINAO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY NY HOTIAVINAO

Tsy ny hotiavinao no tao an-tsaina
raha tsara fo sy feno fanajana;
Fa raha feno hery sy velon'aina,
Hizara hafaliana ho an'ny akama.

Tsy ny hotiavinao no tao an-tsaina
raha nanao izay sitrakao,
Efa zatra setroina sy latsaina
Rehefa lavo toy izao.

Tsy ny hotiavinao no tao an-tsaina
raha niafy fatratra ho anao,
Fa ny fifanampiana dia ilaina
amin'izao fiainantsika izao.

Tsy ny hotiavinao no tao an-tsaina
raha naniry hanakaiky anao,
Fa ny fo lonaka tsy karakaina
mahay manao ny tsy fanao.

Raha ny hotiavinao no tao an-tsaina
tamin'izay vita nasehoko anao,
Angamba isan'ora velon-taraina
ary tsy hitombina amin'izay atao.

Raha hanohy hanaja sy ho tsara fo,
Tsy ny hotiavina koa no ao an-tsaina;
Fa tsy ho reraka ny hanao soa
Izany no fiainako k'aza tsaraina.

NY HERIMAR 31/03/02020
MAROC
--------
Rohy:
540 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1902