You are here: home > Vetso

TSY VOADINIKA - NY HERIMAR

Azo vakiana?

TSY VOADINIKA

Vahiny sendra nandalo
no nanarianao havana;
Goaika tsy mahay rano
no hany ve hireharehavana?

Ny vao? Misosasosa,
Ny ela tsy mba fanary;
Voronkely tena kanosa,
Resin-tambitambin-kary.

Ny lakana raha voatsipaka,
Mahalala mihemotra loatra
Aza manendry tena ho voafitaka
raha asainy mody any ankoatra.

Ny soa atao levenam-bola,
Ny ratsy atao ratsy ihany;
Tanora miady amin-tsola,
Manafohy ny ainy eto an-tany.

NY H.26/11/2019
Maroc.

Sokajy : fananarana

Hametraka hevitra

Midira aloha