VAVAKA HO AN'ILAY TIAKO (NY HERIMAR)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAVAKA HO AN'ILAY TIAKO.

Ampionao ry Ray
Iny olon-tiako iny
mba tsy ho azon'ota.
Aza avela hilaka
hanao izay tiany
fa zaza mbola votsa.

Raha sendra ady mafy,
Tohano tsy ho irery
fa mila ny herinao.
Arovy tsy ho voagafy,
Tadiavo sao ho very
fa ondrin-janakao.

Ry Ray ao ambony,
Iny olon-tiako iny
Tazatazano ihany.
Omeo fo tony,
Amin'ny androm-pahoriany
fafao ny tomany.

Ry Ray be fitia
Iny olon-tiako iny
aza avelanao hisitaka.
Ny loza mikodia
hamelom-pijaliany
aza avelanao hamitsaka.

Tsisy azoko atao
Ankoatran'ny mivavaka
sy mandefa vetsovetso;
Koa mba raisoNao
sao ho latsaka an-davaka,
Omeo aron-tsento.

NY H.21/09/2019
20:06'
Maroc
--------
Rohy:
1036 1
Mpakafy: A.T.N.L
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146