VEHIVAVIN'NY ALINA - NY HERIMAR
Azo vakiana?
VEHIVAVIN'NY ALINA
Miandry izay ora hamaty masoandro
ireto vehivavy mpatory atoandro.
Ny azy tokoa tena hafa tanteraka
fa manjono ireny kanosa somary miveraka.
Izy miavaka lavitra amin'ny mpamosavy
ka hoe hamely mafy fa tsy miangavy,
Fa ireny bandy ireny langoiny tsara
Anetsehany ny vatany, tonga dia tara.
Na ririni-mamirifiry na andro mafana
dia tazana foana eny ambany tanĂ na.
Tsy atahorany mihitsy raha izany aretina
ka tapin-taova ihany sisa no entina.
Ny ratsy marina, hono, tsy tery lalana
Fa dia vadin'olona hany no iadanana;
Fahasambarana vetivety anaty minitra
Rehefa ialany lasa mipitrapitra...
Vehivavy ratsy vintana sa ratsy safidy
ka dia milomano loatra amin'itony asa mangidy?
Tsy nisy mpanontany sa hoe lany zara
no tsy matory an-trano amin'itony andro manara?
Amiko,tokana ihany no anton'izao:
dia ny hakamoany hampiasa ity saina
nefa te hahazo mora izay rehetra ilaina
farany mivarontena no sisa atao.
NY HERIMAR
26/02/2019
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : NY HERIMAR

Nampiditra : Herimar
Daty : 06/09/2019
Mpamangy : 244
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
MATOA...MATOA
IANAO MALALA
AZA AKASIKA AHY
FITIAVAN'OLON-DROA HOE?
MOA HAMPANINONA ?
TETO AN-TANY
HAFA-DRAHALAHY (nasiana fanitsiana)
NA TSY NATAO
NY RAY AMANDRENY