Dada miatrika fiainana - Ny zo Rado Herizo
Azo vakiana?
Miezaka hiasa na dia efa marary
vao mangiran-dratsy dia ef' antanimbary
Tsy mba handrenesana izay fitarainana
Izany no Dada miatrika fiainana
Miainga maraina vao maneno akoho
Mahalana izy vao mba mody aloha
Mampiasa herin-tsandry, mampiasa fisainana
Izany no Dada miatrika fiainana
Mioitra, milofo hitondra hafaliana
Miezaka handresy ny tsy fahampiana
Minia tsy mihaino ny fanaintainana
Izany no Dada miatrika fiainana
Olona anefa ka indrindray mety kivy
Nohon'ny adim-piainana mihoatra ny adidy
Saingy raha mitanondrika tsy ahitan-teny
Avy hatrany dia am-paherezin'i Neny.
Ny zo
Hevitra mandeha
SOBIKA (29/11/2004 16:25:19)
HUMM MARINA ZANY! enga anie mba ho toy izany daholo ny Ray malagasy rehetra eh de ny Reny rehetra koa mba hanome fampaherezana avokoa!
za zany le mamaky tonokalo vao mikarepoka eh @ le mbola manitra be vĂ´ tsy nisy nampiditra hevitra!
tohizo fa ao tsara eeeee
sobika
vetsoko (07/12/2004 18:20:43)
ary tsy eo intsony i dada ...,?
voninkazo.fotsy (13/03/2005 18:27:50)
mahafinaritra ny tononkalonao...mampihetsi-po...Misaotra indrindra!!
chipie1 (05/07/2005 17:37:58)
pissoa (17/12/2005 15:30:27)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ny zo Rado Herizo
Nampiditra : nyzoDaty : 29/11/2004
Mpamangy : 1880
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
INY OLONA INYALEO MANADINO
Noelin'ilay mpanasa lamba
Ho inonao
Tsaroako
Tsaroako
Ny tena fitiavana
Vavaka
Handroso fa matoky
Adala taminao