You are here: home > Vetso

... ILAY TENA TIA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

... ILAY TENA TIA

Naratra ianao naratra
voadona ka voadona
voalatsa dia voalatsa,
tamin'ny teny tsy tsaroana

Niaretanao ny mafy
niaratenao ny ngidy
nefa ilay fitiavany
niantefa tamin-drafy?
ianao tsy nanana safidy
ka natahotra ny vavany

maro ny hetraka fitia
izay nolalovanao
dia ianao ilay tena tia
no zary kilalao!

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
11-03-2019

Hametraka hevitra

Midira aloha