100ariary Ampandriana! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
indro mibosesika amiko Rafahasahiranana
Injao manao amboletra Ratsifahampiana
f'izaho ilay mahantra tsy mba havan'ny manana
dia ity vola ariary zato no hany nifaliana!

ariary 100 ampandriana hoe!
izany no nampandriako ny saiko
ary koa nampitoniako izato foko
tsy mba nataoko nankarary ny aiko
fa maika aza nampisinda ny toloko

ilay volako izay ariary zato monja
izany no hany mba nananako
ilay bitika sy kely, kanefa mafonja
ary ampy tsara namaharako

Ilay vola ariary 100 e!
no mba nanaranam-po
ka nanome hafaliana
dia fifaliana tsy manam-paharoa
izay nentiko andresena ny hakiviana

na izany aza anefa:
lozanao Rafahantrana
izay tsy mba nitsinjo ahy tamin'izato fahoriako
fa vao maika namoha nidanadana
ilay varavaran'ny tsy fahampiana izay tsy tiako!

Halako loatra ianao!
Halako ianao ary tsy tiako
Fa mampanararaotra izato tsy fananako
Ka mampirisika ahy, ka mitondra izany diako,
Ho amin’ny fanitaran-dratsy izato lalako.
Tsia!

Nosoratan’I RAIMS Randriamalala (Mahavonjy aimé)
Copyright Mai 2017
--------
Rohy:
963 0
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 14/07/2017 16:20)
Raha mahaliana anao izay mpamaky ny te-hiserasera amin'ny raims randriamalala dia ao amin'ny "facebook" izy afaka miresaka tsara, ka ity no rohy ahitanao azy dia i Mahavoujy Aimé Randriamalala. Ary makasitraka anareo izay mpankafy ny asa soratro, eny fa na ny mahakanto ny maha-malagasy aza! mankasitraka indrindra tompoko o!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148