TOA TENY FITAKA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...TOA TENY FITAKA

ireo teny roa heverina ho mamy
mitandrema ihany fa fitaka izany
tsy lafatra ireny
fa teny nomeny,
hambaboana ny fo
mahababo tokoa

langolango malefaka no mody kaloiny
tandremo ireny fa tsy avy amin'ny fony
tsy latsaka anaty tahaka ny tsoka
raha roboka ianao dia lanin'ny moka
fampanantenàna tsy misy hoatr'izany
tandremo! kilalaony ianao no ambadika izany

Fitiavana ange hono no ambony indrindra e!
fa mitandrema ihany, ny voay tsy mamindra
fa misoko mangina tahaka ny trambo
raha fo goragora dia hidiran'atambo
ka mitandrema ihany, mitandrema hatrany
fa ireo teny roa heverinao mamy
tsy lafatra ireny fa misy fitaka ihany!

Nosoratan'i Raims Randriamalala (Mahavonjy Aimé)
10-07-2025 tamin'ny 05:30 maraina
--------
Rohy:
326 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0128