MANEFA SAZY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANEFA SAZYRoam-polo taona ny sazy hefaiko
fito ambin'ny folo no vitako tato
kanefa tsy foana ny fanantenako
fa ho avy ny ora sy daty hialako
lasa ny saiko ho tonga hatraiza
raha mivoaka ato moa aho zany dia ho aiza
ny vadiko izay any efa manan-tsakaiza
ary raha ny zanako? Izaho angaha nitaiza
miangavy ny filohan'ny fanavaozana
mba hiantrao re ity dada mitsitaozantaozana
tena mivavaka mafy tsy miato
mba tsy ho vata-paty no haka ahy ato.
dodona loatra ary maika aok'izany
mba te hiaina ambonin'ny tany
mba hendry ihany aho raha mihoatra ny ankizy
nahoana aho no tsy mba nahazo remise!
Nosoratan'ilay zokiolona voafonja tao moramanga
nalaina tamin'ny sary sy feo avy amin'ny namana iray
mahaontsa tokoa ilay izy! fa izay ilay fiainana
TSARA
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo - Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Raims randriamalala (mahavonjy aimé)Nampiditra : baghiaims
Daty : 01/10/2026 07:39
