AHOANA NY FANDEHANY? (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AHOANA NY FANDEHANY

injao,
mihazakazaka any ho any Rabefitiavantena
mirimorimo tsy hay sakanan-dRabefahantrana
manao famindra-tsokatra ny fiainam-pirenena
fa mitombo voninahitra ny mpitondra fanjakana

dia, mikoroso midina ny fiandrianam-pirenena
fa mihazakazaka any ho any ny endrim-panjanahana
ary very an-kilaometatra ny maitso, fotsy, mena
fa reraka sy potraky ny tolom-panafahana

fa, Mamindra tsy re tsaika hitady fanampiana
ny loko telo, hampandrosoina ny tanàna
fa mihamalefaka famindra mibaby fahoriana
ny madinika fa voagejam-pahantrana

dia izay no fandehany!!!

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
21/03/2018
--------
Rohy:
929 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145