You are here: home > Vetso

AINA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

AINA

ry Aina malalako!
ianao ilay tokana malalan'ny foko
ianao ilay irery natokana ho ahy
ny anaranao no hany vetsoiko
dia namoronako kalo tamin'ny aingam-panahy

i Aina
ianao irery ilay tiako fihinina
ianao hatrany no tiako tantanana
tsy ho mandrakizay akia ny andro ririnina
fa eto aho hanome ilay tena fitiavana

i Aina!
tiako ianao
ary tena fitia
fa tsy hoe kilalao
na sanatria
hanararaotra
fa ny fitiavako no tafahoatra
tsy haiko sakanana
ary mandrakizay ianao
no tiako tantanana

i Aina a! tiako ianao

Raims Randriamalala (26-08-2022)

Sokajy : Fitiavana