You are here: home > Vetso

ANGAMBA VOASORATRO! - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

ANGAMBA VOASORATRO!

Raha nanoratra aho,
impiry voarangotro
tamin'izato taratasy
ny penina fampiasako?
toa ny mombamombanao
no matetika voasoratro,
angamba atsy ho atsy
ianao no anton'asako!

raha manoratra aho,
indraindray ny lasantsika
no matetika vinaniko
andefasako anjoria!
dia ireo kalo mitalaho
amin'ny ranomainty ritra
no miboika avy ato anatiko
hivetsoina ny fitia

Nosoratan'i R-R Mahavonjy Aimé
tanjombato 27-08-2019



Hevitra mandeha

raims randriamalala (17/09/2019 15:34:24)

Mankasitraka tompoko o, ary misaotra anareo nankafy!

Hametraka hevitra

Midira aloha