You are here: home > Vetso

ANTSIRANANA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

Antsiranana!

etsy ianao ho entiko
hitetiteti-tany
etsy ianao ho entiko
ho any Antsiranana any
any misy fomba amam-panao
misy kolontsaina hafa mihitsy
tsy hoe akory vaovao
fa kolontsaina efa nisy
reharehan'ny tanàna
ka tena mahatamàn’
ireo mpizahan-tany.
Any Antsiranana any
ny fanaon'ny sakalava
mifety lalandava
marevaka aoka izany
ny fitafy lambahoany

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
05-08-20

Hametraka hevitra

Midira aloha