You are here: home > Vetso

ANY HO ANY! - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

ANY HO ANY!

any ho any misy fo,
toa tsy mbola manan-tompo
malefadefaka fitempo
ka maniry te-ho roa

any ho any misy hira
malefadefaka figadona
tononkira ampifanatona
ny fo tia sy ny tiana

ary injany tononkalo
mampanembon'olon-tiana
ary rindra-kalo miady rima
no mamelombelona ny tsiaro

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
29-01-2020 à tanjombato



Sokajy : embona, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha