asa lahy (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
asa lahy raha mba tsapanao
asa raha fantatrao
fa ity nosintsika ity hatreto
mbola milomano anaty sento
mbola miaina anaty ngidy
sy tsy mba manana safidy
fa voagejam-pahantrana
ka tsy mahalala intsony ny lalana-hombana

ary moa mba tazanao,
ireo mpitondra nifandimby
samy nampitondra ny mangidy
hatramin'izay hatramizao!
dia mandresy lahatra an-kabary
dia maneho an-tsary
ho fanovàna ny tanàna
dia hatsaraina ny lalàna
nefa inona no eo
fa ny eo ihany no eo
toa ilay efa mankaleo

isika samy isika ihany aza ankehitriny
no toa zary mifanome tsiny
mifanenjika, mifamono, mifandoro
ka ireo tsy manan-tsiny, indreo fa torotoro
simba isika, potika sy rava
fa raha mahita vola dia tampina ny vava
aiza moa isika no tafarina
kolikoly foana no andresena irony marina

ny ho avy no aoka hitsara
iriko indrindra ity gasikara
mba ho tany maha-tehonina
ka ho faly ireo mponina
fa higoka izay mba maminy
fa ho sambatra tokoa ny taniny

NOSORATAN'I RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
tanjombato 27/11/2017
--------
Rohy:
918 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145