You are here: home > Vetso

ASAKASAKAO - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

ASAKASAKAO

asakasakao,
raha toa andao ity akany,
asakasakao,
hangala-pitia ambadika any
fa ny foko mbola eto
tsy miova, fa misento
misaina foana anao
koa asakasakao
raha ho ataonao kilalao
ilay fitia natolotrao

asakasakao,
raha toa ka am-pahory izato foko
asakasakao,
raha hitia an-tsokosoko
ireo voankazon'ny alina
izay fandrika hampivarina
ny tontolo misy anao
koa asakasakao
raha toa ka hilalao
ireny ravina vaovao

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
01-02-2019

Hametraka hevitra

Midira aloha