ASANA MPIANDRY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ASANA MPIANDRY

injao ny tabatabana mpiandry
noravahan-kira mahafinaritra!
dia miasa mafy tsy misangisangy
manoloana ireo voafatotra!

tsy hoe akory heri-tsandry
na fitaovana avo lenta
fa ny finoany fotsiny ihany
dia ampy nandreseny ny rehetra

fetsy ianao ry satana
fa babonao ny mpino
ny rendra amam-pilibana
no indro solon-jiro
hitondranao ny lalany
nefa mbola ho tsapany
fa mora resy ianao!
mbola ho resy ianao!

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
12/03/2018
--------
Rohy:
860 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145