You are here: home > Vetso

BANDY - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

BANDY

ialahy ilay bandy
zatra tambitamby
tanilan-dray sy reny
tsy voateniteny
fa notoloran-tsoa
ka dia nanara-po
ary afaka nanao
izay mba tiana atao

ialahy ilay bandy
tia manambitamby
sy tia mikolokolo
ny momba azy manontolo
nitia ilay tovovavy
toy ny raozy anaty vazy
kanefa dia voahitsaka
no sady voafitaka

ialahy ilay bandy
bandy manambady
saingy mbola te hitady
karazan-tovovavy
manja sady lava
meva sady tsara
kanto tsara bika
mampitsiriritra

bandy ialahy ka bandy
bandy tena bandy
raha toa tsy mitaraina
raha toa tsy miasa saina
hoe ilay fitia mba nimatesana
no tojo fandrafesana
ilay fitia mba nandrandraina
no mila handatsak'aina

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)