You are here: home > Vetso

BAO-DIA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

BAO-DIA!

jejo fitafy
jila fidola,
misarika maso.
kanto fijery
manintona saina
manaitra ny fo
ny fitafy tsy maontin(a)'
ny mpiavona anaty

indrisy ry Ntaolo
nankaiza ireo landy
havadika ho lamba
f'angaha efa haolo
no tsy mba mitady
izay mety ho sahaza
ireto tanora
variana midola!

toa takon-kenatra
manafina tratra
no hany tinafy,
f'angaha maha-menatra
ny miakanjo tsotsotra
heveriny ho ratsy!
r'ikaky sy neny
mahereza miteny

aza avela hiverenany
ny andro fahiny,
ianareo ihany no erany
ka mampisafidy
izay hatafy ny tenany
koa aza mba tsiny
r'ikaky sy neny
fa ny maso no adala
mangala-pijery
ny fitafin'ikala

Raims Randriamalala (mahavonjy aimé)
16-02-2022