EMBONA SY TSIAHY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EMBONA SY TSIAHY

ny sarinao mitsiky
no sisa fahatsiarovana
Voatahiriko an-diary,
ary singa taratasy
mirakitra ny lasa
no vinaky takariva
andefasana vinany!
ity sary tsy mivolana
no hany sisa namana
hitantarana ratra-po
fa trotraka sy potraka
ity foko adalakely
raha sarak'olon-tiana
Ka redin'olon-dresy
velombelon-tsento
manembona ny any
no sisa mikalo ny fahiny

ka eto ambohimanina
no mamisavisa anao
efa sambatra any ho any
raha tojo izay notiavina
any ianao,izaho eto
mitazan'itsy fara-vodilianitra
mitara-bolamena
tarafin'ny masoandro
angamba io no mampiray antsika
amin'izao ora izao
ka samy velon-tsento
mahatsiaro indray ny lasa

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
09-10-2018
--------
Rohy:
1280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0191