IZA??? (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Embonembon-takariva
kalokalo tan-gitara
no indro tovovavy
sendra mba nandalo
sendra mba niserana
ka nisarika ny maso
ny bikany aman'endriny
ary nanintona ny orona
ilay fofon-dranomaniny
nandalo teo alohanay
zovy ianao r'ilay ira-janahary
fa toa mbola tsy fahita,
angamba kosa vahiny avy lavitra
Ka tratra hariva an-tanin'olona
asa lahy!

f'ity masoko raha nahita ilay hakantony
dia mitempo mangina tao ny foko
nidoboka tsy niato te hamboraka fitia
saingy tsy afaka hitrebona
niandrasako ihany izay mba mety ho fihetsiny
kinanjo tampoka avy teo no indro fa nierika
dia tazako avy hatrany ilay endrika vaovao
ilay endrika vahiny voaravaka hatsaràna
ka tsiky noentin-drivotra hipaka tamin'ny vavako
no nampientanentana ny foko efa jamba ny fitiavany
dia iny tsikiny iny koa no nampazava ilay takariva
niampy ny vetson-kiran'ireo tary
ka namelom-panantenana ilay fitiavana tanatiko

dia niezaka nanantona ity foko adalakely
tsy nihambahamba koa ny vava
nanontany ilay vahiny sendra tsy nampoizina
niambatra ihany anefa ny tongotro
tsy hanantona ilay sarovazo tratra hariva
fa ny saiko no tsy nety fa nanesika ahy hatrany
kinanjo tazany ny hadalan'ireto vatako
ka iny fa nanantona ilay voro-manga tsara feo
ilay mpanambaka railovy mpanjaka be ny vorona
ka lavo tamin-peo malefaka
dia nipararetra tsy naloam-peo
fa nianahana tsy nanan-kolazaina
tsy nanan-kambara afa-tsy ny hoe:

"vahiny avy lavitra angaha ianao
no tratra hariva an-tanin'olona"

eny hoy ILAY NANDALO SY NISERANA

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
tanjombato 18/12/2017
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Aingam-panahy
867 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109