enawo! (rivo-doza) (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fony lasa ENAWO dia tsy nosaininao akory,
izato fijaliako,
toa tsy noheverinao akory,
izany fahoriako!

indro anefa, tonga indray ENAWO,
toa tonga tamim-pahasahiana
ka ny hatezeranao
no nikapoka ahy mangina

Ka ny mafy sy mangidy,
izay efa nozakaiko ihany
izaho koa, tsy mba manana safidy
izao tokoa no anjarako eto an-tany

mpisompatra loatra ENAWO
ka ny fiainako manontolo
no hany simba sy nompotehinao
ka zary maizina daholo!

iny ENAWO no lasa,
lasa tsy nanao veloma
ka nametraka takaitra

ka andeha hamonjy indray ny hafa
fa izaho kosa eto toa tsaboina
sy mitondra ny mafaitra.

veloma ENAWO!

nosoratan'i RAIMS Randriamalala (mahavonjy aimé) copyright 09/03/2017
--------
Rohy:
777 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0684