You are here: home > Vetso

EO IMOLOTRO - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

EO IMOLOTRO!

eo imolotro eo
misy teny mamy
natosaky ny fo
monja teny roa
kanefa hitondranao
hitety ny alina mangina

eo imolotrao
misy valin-teny
antenain'izato foko
teny tokana monja
kanefa dia mafonja
ampy hisambarako

eo imolotro eo
misy hantahanta
misarangotra fitia
miandrandra miangoty
manantena fo mitempo
avy any anatinao

eo imolotrao
misy tsikitsiky
laroina fandaingàna
ankafizin'ny olon-tia
ary sakaizan'ny hatsaràna
mandrendrika ny fo

nosoratan'i R'AIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
21-12-20


Hametraka hevitra

Midira aloha