FAHANTRANA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHANTRANA!

lakalaka ny fiainana an-tany
kisendrasendra toa saro-pantarina
mitsimbadika ambony sy ambany
ka tsy fantatra izay tena marina

kizokizo e, ny lalan-kizorana
tsy fantatra izay hiafarany
raho-mainty hivadika'ho orana
no hany sakaizan'ny tany

dia miandry ny anjara sy vintana
manantena ilay andro mazava
ny ririnina no zary manintsana
ireo hazo madiva ny ho rava

fahantrana no hany mba namana
nandositr'ilay fandrosoana
ny kely izay mba teo an-tanana
no sisa nokolokoloina

R'AIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
05-08-2021
--------
Rohy:
719 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153