You are here: home > Vetso

FAHENDRENA VE, - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

FAHENDRENA VE?

ireo fahendrena narindrin-ko vato
notenifin-tsimenitra kanefa tsy mafy
tsara rindra sy rafitra mamatovato
saingy trinesaky ny ela ka potika anaty

ireo fahendrena natsangan-ko fefy
nirodan-tsy satry navalon'ny taona
nisoko mangina toa zary mpandresy
ilay rivo-pivoaharan'ireo tia fandrosoana

ireo fahendrena nafafin'ny Ntaolo
niantefa nankaiza, nifarana hatraiza
fahendrena fahiny noheverina ho haolo
fanatontoloana no sisa mitaiza


Nosoratan'i R'aims RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
04-12-2020

Hametraka hevitra

Midira aloha