LAY FITIA NAJORONTSIKA!!! (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAY FITIA NAJORONTSIKA!!!

izaho tsy hiasa-asa saina
intsony izay mombamomba anao
na hiferotr'aina
Ny amin'izay mety ho ditranao

fa aleo ho fanaranako amin'izay
ireny tambitamby nifanaovana
ireny sangisangy hatrizay
angamba izao koa no ora hifandaozana

Na mbola ao anatiko aza ny fitiavana
dia ialako tsiny fa tsy ho anao intsony izany
raha te hihanoka sy hitavana
dia any an-kafa manontany

laony izao ny foko
tofoka tanteraka
fa rava antsokosoko
ka dia tsy ho asiako resaka

LAY FITIA NAJORONTSIKA

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy Aimé)
tanjombato 07/11/2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fisarahana
880 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113