miverena (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MIVERENA!!!

Injao misy feo miantsoantso
Any an'efitra any
Feo mahery manakoako
Miantso anao, moa tsy renao va izany?

Feo miantso hitodihanao Aminy
Sy hiverenanao ho ao ambalany
Ka ny fahotanao ilay tsy mba maminy
Dia efa nodiovony tamin'ny ran'ny zanany!

Miandry anao ny Ray
Miandry izay ho valin-teninao
Dia ny hanekenao Azy indray
Ho Tompo hanavotra anao

Miverena fa vonona Izy handray anao
Miverena fa mbola tianao ny Tompo
Miverena fa vonona Izy hanafaka anao
Miverena fa hanafaka anao anaty loto

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
--------
Rohy:
736 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016