You are here: home > Vetso

FISAKA NY MARINA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

FISAKA NY MARINA

Aza ataonao mahagaga!
raha ny tena marina
no zary tsy tafarina

aza ataonao mampivava!
raha ny marina hifikirana
no zary mitongilana

aza ataonao mahaketraka!
raha ny marina andrandraina
no sarotra antenaina

aza atao mampitofezaka!
raha ny lainga tsara lahatra
no mampandresy ireo mpangalatra

nefa... tsy ianao irery!
no miandrandra fahamarinana,
f'izao tontolo izao!
saingy marina miery
anaty fahanginana
no mba tadiavinao

"fisaka ny marina ka sarotra tadiavina."

Nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)

Hametraka hevitra

Midira aloha