You are here: home > Vetso

FITIA VARY IRAY VENTY - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

FITIA VARY IRAY VENTY

fitia sombintsombiny
dia fitia potipotiny,
no natolotrao
mikisary lalao
fa tsy tena fitia
saingy, nekeko satria
ny foko no adala
nitady malala,
nanaiky tsy fidiny
ny hasarobidin'(ny)
ireo teny roa
ary mamy tokoa
satria...!
ianao no voaloham-pitiavako
ekeko ho malalako

saingy, fitia vetivety
tsy naharitra akory
fitia vary iray venty
toa nofisi-matory

RAIMS RANDRIMALALA (Mahavonjy Aimé)
28-02-2022