FITIAVANA HAFA KELY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fitiavana hafa kely
no mba niarahako taminao
fitiavana sarotra vinaina
toa fitia mifono mistery
toa manery ny ao anatiko ao
te hitrao nefa tsy takatry ny saina!

Fitiavana hafa kely
toa sarotra fantarina
toa sarotra lazaina
nefa toa mora very
sy toa sarotra takarina
ka manadala saina

fitiavana hafa kely
izay natolotrao
ka sarotra tazomina
nefa fikiriko ho ahy irery
fa matokisa ianao
fa ny foko koa efa vonona

fitiavana hafa kely
no zarainao ho an'ny namana
dia ilay fitiavana mamy
ary tsy adinonao velively
ny mitia ireo tsy manana
tsy manana noho ny fahantrany

fitiavana hafa kely
no atolotrao ilay tianao
dia fitiavana natokana
ilay natokanao ho azy irery
fa tsy nozaraina tamin'izao adala rehetra izao
f'andrao mantsy hiteraka korontana

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1200 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159