FO MIFANKATIA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FO MIFANKATIA

ny foko sy ny fony
toy ny raozy iray mamony
novolena an-jaridaina

mitsimoka, mamontsina
mamelana, mandrobona
kotran'andon'ny maraina

ny aiko sy ny ainy,
ny saiko sy ny sainy
iray vina ny ho doria

fo mitambatra ho iray
ary ho sanatriavinay
ny handravàna ilay fitia


nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
09/10/20
--------
Rohy:
871 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148