HALATR'ASA SORATRA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HALATRA ASA SORATRA!

raha hangalatra ihany ianao
dia mba aza ny ato an-tsaiko!
fa ny rangotry ny peniko,
sy ny hevitra fonosiny
dia tsy ho takatrao na'oviana!
tsy akory io takamo
nofatoran-tady
mitondra herinaratra
ka ho azonao hangalarina
tsy ny hazavana ho entiny
handresenao ny haizim-pito!

raha hangalatra ihany ianao
dia mba aza ny talentako
no ataonao dika an-tsoratra
ho tsangam-bato-pirenena
fa misy singa tsy hitovizana
sy ainga iray mampiavaka
dia ilay vetson'ny fanahy
mitoetra hanabaky ny nofy
sy miaina anaty kalo
no hamelomana anjoria!

raha hangalatra ihany ianao
dia ireny fanafohezan-teny
mpanimba ny teny Malagasy,
ary amboary ho tonga teny mamy
ireny Soratra Mamohan-tSampona (SMS)
izay mpanimba zava-kanto
dia esory koa ireo fakofako teny
mifangaro teny avy any ivelany
F'ireny no fototra mpanimba ny teny malagasy

RIAN-KALO 30/03/2018


NOSORATAN I RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)

30/03/2018
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka - Aingam-panahy
1029 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106