AVOTRA HO AN'NY TANIKO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Malagasy namana!

etsy mitolòma
ary aza hadonoina
ireny rà nandriaka
noho ity tanintsika
takio ny fahamarinana
lefero ny fahanginana
ary mijoro hatrany
fa mizioga loza ity tany

ary ireo lasa nodimandry
moa tsy heri-tsandry
no fitaovana nampiasainy
dia natolony ny ainy
ho fanavotany ny taniny,
fa ny tetsy andaniny,
izay tifitra avy hatrany
no nandatsahan'ny ràn'
ireo mpitia ny tanindrazany
ary ny rà izay nalatsany
dia tsy nasiny tambiny
fa noentiny any am-pasany


RAIMS Randriamalala (mahavonjy aimé)
tanjombato 24/04/2018

TOLOTRA FANANTENANA ANDRIARINAIVO!!!!
--------
Rohy:
892 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0444