HO AN'I NENY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao ry neny
no iantsako ity tononkalo!
ianao mantsy ilay mpananatra miteny
ka rariny aho raha toa hikalo!

indro fetinao anio
fety tokana aman-tany
ka ny andro anio, no ifalio
Fa natokana ho anao izany

Ny kalo izay vetsoko
no ho solom-panomezana
ary fifaliana avy ato am-poko
no ataoko anat’ity fehezana

izaho ilay tsy mba manana atolotra
fa ilay fahendrena sarobidy
no omeko anao, fa tsy ataoko antendro-molotra
f'ilay fahendrena mantsy lafo vidy

ka hany mba hirariako soa
dia ianao ho salama sy ho ambinina
ka lay Andriamanitra tsitoha
Izy anie hanampy anao na amin'inona na amin'inona

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (mahavonjy aimé)
--------
Rohy:
206 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015