You are here: home > Vetso

HO AN'ILAY MALALAKO! - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

HO AN'ILAY MALALAKO!

malala!
ianao ilay tokako
ilay mendrika indrindra
sy akaiky ny foko
manja sady miavaka
tsotra nefa tsara
ka indro mba harindrako
ho rima tsara rindra
ho kalo maro loko
ilay toe-ponao miavaka
izay nahababo izato foko

miavaka ianao
amin'ny hatsaram-panahy
amin'ny hatsaran-tarehy
amin'ny hatsaram-po
tiako ianao
ka mandrakizay ianao ho ahy
ny fitiavana no hany kofehy
mamatotra antsika roa

RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
09-10-2021

Sokajy : Fitiavana