HO ENTIKO AM-BAVAKA...NY FIAINAKO (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ENTIKO AM-BAVAKA...NY FIAINAKO
Tompo o!
moa va ahatahotry ny loza aho
raha mba manampikasana ny hanam-pandrosoana?
tsapako fa any ho any misy manampaniriana
te hanimba ny tontoloko
misy hery miafina te handrombaka ny fiainako
ary te hisompatra izay mety ho anjarako
Ray o! izany rehetra izany
no hitalahoko Aminao
ary hangatahako mihitsy ny Fanahy Masinao
hiambina ahy anaty ora sy minitra
Ianao no amiko, ary mahatoky aho
fa n'inona n'inona fitranga
dia momba ahy Ianao amin'izay rehetra ataoko
ary raha tojo zava-tsarotra ny lalana izay diaviko
na mifanojo an-dalana amiko izay mety ho fahoriana
dia mahatoky aho fa akaiky ahy Ianao
Nosoratan'i RAIM'S RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - ahy - fiainana - Fitiavana
429 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158