IANAO ILAY ZAVAVY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ianao ilay zavavy

angamba:
ianao ilay tovovavy
dofodofotra fitombona
manintonintona ny maso
sy misaritsarika ny saina
izato fidolanao mamindro,
miankavia dia miankavanana
toa miangoty ny fitiavako
ary izato lantom-pihetsikao
kanto tena kanto
lafatra eny meva tena meva
nefa toa mety hampidi-doza
ary ny fitafinao mifindro
sy ity lamba tsy ampy refy
izay manaitaitra ny filàko
Ity ianao mahery setra
mitsapa biby an-davaka
tandremo fa any ambadika any,
misy saina tsy misangy...

tsarovy!
fa ny fipetrakao
no tena maro mpankafy
ireo karaza-maso adala
no mangalatra fibanjina
ary saina tsy mba hendry
no misaina paradisa
koa iangaviko indrindra
eny, raha toa ka sitrakao
mba hanova ny famindra
ho amin'ny lalam-baovao


RAIMS RANDRIMALALA (Mahavonjy Aimé)
13-03-2019, 20:23
--------
Rohy:
1089 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114