You are here: home > Vetso

Ilay Ora-Pitiavana - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Tompokolahy sy tompokovavy
Raha midona izany oran'Ankaratra
Dia tandindon'ilay oran-ko avy
Dia ilay oram-pahavaratra

Raha midona ny ora-pitiavana
Dia ilay fotoan'ny fanambadiana
Fotoana mahavory irony havana
Dia itony lanonam-pianakaviana

Fa raha midona izany onjan-dranomasina
Dia mahatsiaro ilay morontsiraka
izay niantombohan'ilay fitiavana marina
Dia ilay fitiavana tsy misy fitaka

Tonga ity ilay fotoana tsy manan-tsahala
Hanorenana izany fanambadiana
Na dia be aza ireo mpankahala !
Na dia be aza ireo mpanakiana!
     fa ny fitiavako anao ry malala
     Tsy ho rava na oviana na oviana


Nosoratan'i Raims Randriamalala (mahavonjy aimé)

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha