You are here: home > Vetso

IMPIRY? - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

IMPIRY?

Ray ô!
impiry hitalaho
sy hitaraina an-dranomaso
izato zanakao
vao handresy ireo ankaso?

impiry handohalika
hibebaka sy hifona
raha tojo ny ady sarotra
ka handà ny fanompoana

impiry hanolo-tena
manoloana ny alitara
ka tsy hivadi-panekena
hitory sy hizara
ny filazantsara

Nosoratan'i RAIM'S RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)






Sokajy : Vavaka