IMPIRY 'LAY FITIA NAJORONTSIKA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IMPIRY 'LAY FITIA NAJORONTSIKA

Malala a! mba tadidinao ve hoe:

mba impiry izay isika
no niandrandra fahasambarana
ary impiry lay fitia najorontsika
no sendran'ny hasoparana

dia impiry koa isika
no niandrandra ny ho lafatra
kanefa lay fitia najorontsika
matetika aza toa mbola ankamantatra?

ary mba impiry koa isika
rehefa sendra mba mampiaraka
dia mamisavisa ny ho tafita
sy mivoadivoady ny tsy hisaraka

Korisa-penin'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
12/02/2018 tanjombato
--------
Rohy:
1162 0
Hevitra mandeha
toubibtah ( 12/02/2018 20:02)
tsara
raims randriamalala ( 14/02/2018 18:06)
mankasitraka tompoko o!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149