IMPIRY NISY TOLONA (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IMPIRY NISY TOLONA?


impiry nitamberina izay ny tolom-piavotana
izay efa dify, nilaozan'ny omaly?
dia impiry notsarovana ny tolom-panafahana
izay noetin'ny taona nivalona any ho any?

dia hisy firy indray no hilaza ho bekotromaroholatra
ka hotoloram-boninahitra ho tsangam-bato-pirenena?.
moa mba nisy nahatsiaro ve ny sangan'asana mpanoratra
izay tsangam-bato fehizoro ho harenam-pirenena?

ary moa mba nisy nahatsiaro ireny olo-manga,
sy ny maheri-fo ny kanto, efa lasana any ho any?
tsarovy fa ny eto n'inona n'inona hitranga
dia ny tolona an-tsoratra no fanavotana ny tany!

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahbavonjy Aimé)
25/03/2018
--------
Rohy:
988 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162