You are here: home > Vetso

INONA ARY ITY! - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

INONA NO ARY ITY!

eto misy ray!
ary misy reny,
hajaina sy ankatoavina
ary omena voninahitra
kanefa indraindray
raha misy mba miteny
dia raràna sady lavina
no tsy ekena ho mpanohitra

eto misy olo-manga
eto misy loholona
eto misy olo-masina
tena manana ny lanjany
ka raha misy raha-mitranga
izay mampahory ny olona
dia tsy tazana fa miafina
tsy manao akory ny asany

mitaraina indray ny tany!
mitaraina ireo vahoaka
mitariana, mitomany
mitaraina te hitraotra


R'aims RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
26-11-2021