iry habakabaka (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
iry habakabaka
izay voaravadravaka
kintana amam-bolana
iry no mba manazava ity tokonana!

ary itsy lanitra mangamanga
izay mampitovy ny sarangan'
ny madinika sy ny manana
itsy no mba harena hikambanana

ary izatsy zavona maraina
manarona itsy vohitra ilaina
ho jerena sy ho tazanina
no mahaketraka ny manina

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé
nosoratana tamin'ny 28 jolay 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Hanina - embona - Aingam-panahy
892 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0697