You are here: home > Vetso

IZAHO ILAY POETA - Raims randriamalala (mahavonjy aimé)

Azo vakiana?

IZAHO ILAY POETA!

Izaho ilay poeta,
ilay poeta vaovao
tsy dia fantatr'olona
kanefa namanao
rehefa injany misy tolona

izaho ilay poeta,
poeta vao mba sambany
nanandrana ny peniko
ilay mpandeha anjambany
amin'ny zavatra teneniko

izaho ilay poeta,
poeta te-hanandratra,
ny teny malagasiko
poeta te-ho sambatra
amin'izato taratasiko

izaho ilay poeta,
maniry anao ho namana,
hiara-dalana amiko
hiaraka hanandratra
ity tany tena mamiko

Raim's RANDRIAMALALA (Mahavonjy Aimé)
24 novambra 2021