KALO AN-KABARY (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny kabary r'ilay toy ny voankazo mamy
ka izay ao am-bava toa telina avokoa
tena mamy aoka izany, mamerovero ramy
irony haingon-teny aza manaitr'izany fo

ny kabary reroy toy ny voninkazo an-jaridaina
ka mafinaritra jerena, manaitra izany maso
ny hakantony aza moa manintona ny saina
koa mainka f'izato hatsarany ! toa ho vinidy lafo

ny kabary lereitsy toy irony volamena
izay miavaka toy ireo harena sarobidy
ka ilàna fitandremana, ary ilàna fahendrena
fa sarotra tadiavina sy harena lafo vidy

ny kabary zareo toy ny lamba tinafy
raha vao ho rehareha, ratsy toa henatra
toy ilay mpamboly izay vao namafy
ka miandrandra irony vokatra hiakatra

nosoratan'i RAIMS RANDRIAMALALA (Mavahonjy Aimé)
nosoratana tamin'ny faha 30 jona 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina
1374 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106