Kalo (Raims randriamalala (mahavonjy aimé))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Irony raozy vao mamony!
No mba hoentiko mikalo,
Hanafoana tsy hisy intsony
Ilay fonao misento, ilay endrikao mimalo
Fa hisolo tsikitsiky ka ho feno fifaliana
Anio ihany izany, fa tsy hoe rahoviana!

Ary irony diavolam-panazava
Noravahan-kintana irony,
no nindramiko mba hanazava
ny haizana ao am-pony
dia ny foko hitia anao mangiana,
ka anio ihany fa tsy hoe rahoviana!

Iny masoandro hilentika iny,
No anembonako ny lasa,
dia iny tara-pahazavany iny
No amisavisaina ny zavatra kinasa,
ka hiaraka isika hanatsara faniriana,
Ary anio ihany fa tsy hoe rahoviana!

Nosoratan’I RAIMS RANDRIAMALALA (Mahavonjy aimé)
--------
Rohy:
764 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156